Capitalisation
Ny ala kaominaly
Anisan’ny fanamby lehibe napetraky ny firenena Malagasy hotratrarina hatramin’ny taona 2030, ny fanarenana ny tontolon’ny ala. Ho fanatanterahana izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblika Federalin’i Alemana sy Madagasikara, amin’ny alalan’ny fandaharan’asa PLAE na Programme de lutte Antiérosive. Kaominina 6 avy amin’ny faritra Betsiboka, Boeny ary DIANA no misitraka ny PLAE. Anisan’ny manan-danja indrindra amin’ny sahan’asa ao anatin’izany ny fametrahana ala kaominaly.