Capitalisation

ANKILIVALO – Vonjy aigne fiatrehane ty haintany

Araka ny fantantsika dia toerana main-tany efa hatrizay, ary isan’ny miaina ny fiatraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny faritr’Anosy, indrindra ny any ambanivohitra. Noho io tsy fahampian-drano io, dia mampiasa sy misotro rano maloto tsy ara-pahasalamana ny olona, ary isan’ny fototr’aretina maro samihafa izany amin’iny faritra iny. Ankehitriny dia efa nihatsara lavitra ny kalitaon’ny rano sotroin’ny mponina.